- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Nodorany tamin’ny lasantsy ny rafozany sy ny zaodahiny

Ambatolampy : Nodorany tamin’ny lasantsy ny rafozany sy ny zaodahiny

Mbola karohina fatratra ankehitriny ny lehilahy iray nahavanon-doza tao Ambatomainty  Ambatolampy. Nodorany velona tamin’ny lasantsy mantsy ny fianakaviany efa mianaka, tao an-tranony. Tsy fantatra mazava tsara aloha ny antony tena nanaovany ity fihetsika miharo famonoan’olona ity. Ny hany fantatra dia nisy ny disadisa teo amin’ny fianakaviana saingy nanao an-dolom-po ny anao lahy ka niafara tamin’izao fandoran’olona izao. Tsena ny andro ka nandeha nivarotra kisoa ity lehilahy iray. Rehefa lafony ilay kisoa dia notaominy handeha hisotrosotro niaraka taminy ny rafozany, saingy nandà ity farany. Samy nihazo ny làlana mody  izy mianaka nony avy eo, saingy efa nivatsy lasantsy kosa ity vinantolahy tamin’izany. Vantany vao niditra ny trano ity farany dia nofafazany tamin’ny lasantsy ny rafozany mivady sy ny zaodahiny roa. Tsy niandry ela fa nandrehitra afokasoka izy ka narehiny tamin’iny ny fianakaviany. Tsy nisy nanam-po ny tao an-trano fa tao anatin’ny minitra vitsy monja no nanaovany izany. Ilay nahavanon-doza nitsoaka nandositra rehefa izany. Hiakiaka sy ny atso vonjy no nanaitra ny fokonolona ka tonga namonjy ireto fianakaviana kilan’ny afo. Soa aloha fa tonga haingana ihany ireo fokonolona fa raha tsy izay dia maty kila avokoa izy efa-mianaka. Avotra soa aman-tsara avokoa ny ain’ireto fianakaviana ireto, saingy nitondra takaitra avokoa. Tapa-bolana lasa izay no nisehoan’ity tranga ity, araka ny fantatra dia mbola manaraka fitsaboana ireo niharam-boina ankehitriny.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser