- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Olona efatra MD noho ny ambalavelona

Ambatolampy : Olona efatra MD noho ny ambalavelona

Ny talata lasa teo izy ireo no natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika ao Ambatolampy taorian’izay. Ny anton’ny fitoriana azy ireo dia noho ny resaka famosaviana. Nisy olona 17 izay niaraka tsy nahatsiaro tena ary namerimberina niaraka koa anaran’olona maromaro. Teo dia noheverina avy hatrany fa voan’ny mosavy ireo olona. Ny olona indray rehefa nahita ny fahavoazana dia nahafantatra avy hatrany fa voan’ny ambalavelona ireo vehivavy 12 sy lehilahy dimy. Ny fokonolona no nitsangana ho vavolombelona fa avy amin’ny sakafo nohanina no nisy mosavy ka nitarika ireo olona ho tsy nahatsiaro tena. Noraisin’ny manam-pahefana an-tànana ny raharaha satria nahoraka loatra tao amin’ilay fokontany antsoina hoe Angondongodona, ao amin’ny kaominina Tsinjoarivo. Natao ny fisamborana noho ireo antony roa ireo, dia ny fijoroan’ny olona vavolombelona ary koa noho ny anarana niverimberina tao am-bavan’ireo olona tsy nahatsiaro tena. Samy nandray ny andraikiny ny isan’ambaratongany ary hatramin’ny mpitsabo avy amin’iny faritra iny aza dia nidina an-tsehatra koa nijery ifotony ny tena nahavoa ireo olona 17. Raha araka ny fanazavana avy any an-toerana dia tsy dia misy ahiana intsony ny fahasalaman’ireo olona voakasika. Miteraka resa-be eto amintsika hatrany ny momba ny ambalavelona. Ny tsikaritra dia misy ary tena misy izany ary mivadika ho toa ireny nidiran’ny fanahy ratsy ireny izay voany.  Sady tsy mahatsiaro tena no manao fihetsika efa tsy vitan’ny olombelona tsotra intsony. Matetika koa, rehefa mandeha ny fanadihadiana, dia ireo anarana izay naloaky ny vavan’ireo olona no samborina. Nisy mpitarika sekta izay efa nahita tantara ratsy noho izany ary nidoboka am-ponja mihitsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici