- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Olona hita faty notsindronina antsy sy notapahana ny tongony

Ambatolampy : Olona hita faty notsindronina antsy sy notapahana ny tongony

Lehilahy 29 taona no hita faty , ny alin’ny 22 may teo, tany amin’ny faritra Ambatolampy. Rehefa nojerena ny razana, dia fantatra fa notsindronina antsy ny tendany, notapahana ny rantsa-tongony. Tsy niandry ela anefa, fa nisy iray efa tratran’ny mpitandro filaminana. Voarohirohy amin’ity famonoana ity izy io. Ny vaovao avy tamin’ny fiankaviana hatrany no ilazana fa toa resaka fialonana ny anton’ny famonoana,. Tamin’ny fotoana nahafaty an’ity olona ity, namonjy lanonana niaraka tamin’ny namany izy. Ny tena nahavariana ny rehetra, dia tsy nahenoana gidragidra tamin’izany lanonana izany, fa nizotra tsara. Gaga fotsiny anefa ny rehetra avy teo rehefa nahafantatra fa maty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ilay lehilahy. Roa ny zanak’ity maty ity. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Ankoatra ilay iray efa voasambotra, dia karohina ireo mpiray heloka aminy, hoy hatrany ny vaovao. Lasa mahazo vahana ny famonoana olona eto amintsika amin’izao fotoana izao. Famonoana feno habibiana, hoy ny vaovao. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro no nahafantarana fa vehivavy iray no novonoina, avy eo nafatotra dia natao tao anaty gony ary natsipy tany an-tanimbary. Tany amin’ny faritra Alaotra, Morarano Chrome no nisy an’izany. Izay antony namonoana an’ity ramatoa ity tsy mbola fantatra marina. Efa mandeha koa moa ny fanadihadiana ataon’ny zandary any an-toerana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser