- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Ramatoa niteraka zaza hafahafa, miendrika biby ny lohany

Ambatolampy : Ramatoa niteraka zaza hafahafa, miendrika biby ny lohany

Tao amin’ny kaominina Andranovelona, distrikan’Ambatolampy, no nisehoan’ity tranga hafahaha ity. Ramatoa iray manam-bady ara-dalàna no niteraka zaza sampona tamin’ny tapaky ny volana desambra  2013 lasa teo , marihina fa tsy nanatona toeram-piterahana izy ity fa tao an-tranony ihany no niteraka. Hataraina ny an’ny fianakaviana nampiteraka azy raha vao nahita ilay zaza. Miendrika toy ny lohan’alika mantsy ny lohan’ilay zaza, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso, ary vatan’olom-belona misy ratsana  ny tapany ambany. Volaza fa tsy naharitra niaina ela akory ity zaza hafahafa ity dia maty. Fantatra fa tsy vao sambany no nisian’izao tranga izao tao amin’ity kaominina ity fa nisy fotoana ihany koa nisiana tranga hafahafa toy izao. Raha ny nambaran’ny mponina teny an-toerana moa dia toa misy filaza mialoha ihany maneho fa hisy zavatra hafahafa hitranga eo an-tanàna. Misy izany voay goavana be izany miseho amin’ny reniranon’i Onive, ka rehefa miseho io voay io ka misy mahita dia hisy loza na zavatra hiseho izay eo amin’ny tanàna.  Notsipihan’ny nanatri-maso moa fa niseho io voay io talohan’ny nitrangan’ity zaza hafahafa ity. Misy kosa anefa ireo milaza fa ny tsy fahazotoan’ny olona any amin’ity kaominina ity manatona toeram-pitsabona sy dokotera amin’ny fotoanan’ny fitodrana vohoka no anton’ny mahasampona ny zaza teraka, miampy ny fihinanana sakafo saro-pady sy fisotroana tambavy, fa tsy antony hafa araka ny fiheveran’ny sasany azy akory. Nalevin’ny fianakaviana avy hatrany moa ilay zaza hafahafa vao maty.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser