- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Tanana notafihan’ny dahalo, olona iray maty voatrobaka antsy, iray voatifitra

Ambatolampy : Tanana notafihan’ny dahalo, olona iray maty voatrobaka antsy, iray voatifitra

Tanana iray, antsoina hoe Ambatondrakalavao ao amin’ny distrikan’Ambatolampy indray no lasibatry ny andian-dahalo mirongo basy sy zava-maranitra ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, olona iray no maty vaotrobaky ny antsy, ary olona iray hafa, no naratra mafy voatifitra. Aman-tapitrisany maro kosa no vola sy ny tetibidin’ireo entana lasan’izy ireo Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo ho eo no nigadona tao an-tanana ireto malaso ireto. Nifedrefotra tsy hay nifandrenesana ny feom-basy tamin’io fotoana io, nanaitra ireo mponina izay efa rendrika tao anatin’ny torimasony. Tahotra, horohoro, izay no nanjaka tamin’io tanana kely io tamin’io alina io. Izay olona sendra ireto olon-dratsy, sahy nitsirika azy ireo no avy hatrany dia nonjinjainy. Trobaka antsy avy hatrany no niantefa tamin’ity lehilahy iray, nifanehatra tamin’izy ireo. Maty tsy tra-drano moa ity farany. Nisy lehilahy iray kosa, izay nambara fa mpampianatra iray tao an-toerana ihany koa no voan’ny balan’ireto dahalo ireto. Tokantrano maromaro tao an-tanana no voatafika taorian’io, izay nanaranan’ireto olon-dratsy ireto fo mihitsy. Rehefa lasa moa izy ireo vao afaka nifamonjy sy niantso vonjy ireo mponina. Efa tonga tany an-toerana kosa ireo zandary misahana ny faritra any, ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto raha ny fantatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici