- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Taxi-brousse nifaoka mpandeha an-tongotra, vehivavy iray maty, roa hafa naratra...

Ambatolampy : Taxi-brousse nifaoka mpandeha an-tongotra, vehivavy iray maty, roa hafa naratra mafy

Taxi-brousse iray, mampitohy ny renivohitra amin’ny kaominina Andravola, ao amin’ny distrika Ambatolampy no namoa-doza omaly tokony ho tamin’ny roa tolakandro tao an-tampon-tanànan’Ambatolampy. Araka ny fanazavana azo, dia nisy olana ara-teknika ity fiara Renault Super Goelette ity ka tsy tana intsony ny familiana. Nifatratra teny amina vavahady vy iray teo anelanelan’Ambodirina sy Andafiatsimo ity fiara ity, rehefa avy nifaoka mpandeha an-tongotra iray. Ny loza dia nisy mpivarotra teo akaikin’io vavahady io; izay nofaohin’ity fiara mpitatitra ihany koa. Vehivavy roa izy ireo, izay mpianaka raha ny fanazavana azo hatrany. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana rehefa nohosen’ilay fiara, fa naratra mafy kosa ny zanany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambatolampy rehefa nandre ny fisian’ny loza ary nidina avy hatrany teny an-toerana. Niezaka nandamina ny vahoaka, namonjy ireo naratra ary nitondra ilay mpamily tany amin’iny birao, nisorohana ny mety ho fikorontanana avy amin’ny vahoaka. Mazava ho azy fa, tsy maintsy notanana natao famotorana moa ity farany. Tamin’ny fanadihadian’izy ireo no nahafantarana, fa  tapaka “rotule”  kay ilay fiara, raha mbola teny am-pandehanana, hany ka tsy vitan’ny mpamily intsony ny nifehy azy. “Tsy dia nandeha mafy loatra izy io satria misy fiolahana rahateo eo amin’ilay toerana” hoy ireo tompon’andraikitra. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany moa ireo naratra ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. “Samy tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Ny iray aza efa nivoaka ny toeram-pitsaboana”. Ny vatana mangatsiakan’ilay renim-pianakaviana kosa dia efa nentina nihazo ny tranom-paty tany an-toerana. Tsiahivina fa, vao andro vitsy lasa tokoa izay no nisy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tao Ambatolampy, dia izao indray. Raha ny mahakasika ity farany, dia fantatra fa nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ny mpamilin’ilay taxi-brousse, izay nifandona tamina kalesa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici