- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Taxi-brousse nivarina ambany tetezana, zaza iray maty tsy tra-drano

Ambatolampy : Taxi-brousse nivarina ambany tetezana, zaza iray maty tsy tra-drano

Namoizana ain’olona indray ny fandehanana mafy nataon’ireo fiara mpitatitra. Teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly, taxi-brousse iray avy any Vangaindrano, handeha hiakatra aty an-drenivohitra no nivarina tany ambany tetezana. Vokany, zaza valo taona iray no namoy  ny ainy ary maromaro ireo mpandeha naratra raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary.

Teo amin’ny PK 57+700, teo amin’ny toerana antsoina hoeo Antsahafiraisana, ao amin’ny fokontany Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrikan’Ambatolampy no nisehon’ity loza mahatsiravina ity, ny marainan’ny alarobia teo. Raha ny fanazavana nomen’ny zandary misahana ny fifamoivoizana miandraikitra iny lalam-pirenena dia nandeha mafy tokoa ity fiara ity, ary tsy tafajanona raha sendra tetezana lalan-tokana, teo amin’io toerana io. Somary fiolahana izany lalana izany ary mivaly amina tetezana avy hatrany tao aloha tao. Tetezana izay efa hiaraha-mahalala fa mazàna dia lalan-tokana avokoa amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Ankevitry ny tsy tsikaritry ny mpamily angamba izany, antony tsy nahatafajanona azy intsony. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, raha ny voalaza hatrany dia efa nisy fiara tsy mataho-dalana iray, handeha hianantsimo no tafatsofoka voalohany teo amin’ilay tetezana. Dikany tokony mijanona sy miandry an’iny fiara tafatsofoka voalohany iny fiara handeha hifanohitra amin’ny lalany. Efa nisy kodiaran-droa niray lalana tamin’ity fiara « sprinter » teo aloha ary efa nijanona niandry ilay 4×4 ity farany. Kanjo io tsy tafajanona io ilay taxi-brousse. Nifaoka ilay môtô ary namarana ny lalany tany ambany tetezana, niaraka tamin’ireo mpandeha am-polony maro nentiny.

Mafy dia mafy ny fahavoazana. Tsy vitan’ny nitsoraka fotsiny ihany ity fiara fa mbola nivadibadika indray avy eo, tao anatin’izany. Nandriaka ny rà tao anatin’ilay karaokam-by. Niezaka nanavotra sy nisikotra ireo olona tavela tao anatin’ny fiara ireo mponina teo amin’ny manodidina. Nampian’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra avy ao Ambatolampy. Ankoatr’ilay zaza tsy manan-tsiny namoy  ny ainy, dia nisy sasany tamin’ireo mpandeha no naratra ary tena voa mafy, izay tsy maintsy  nentina niakatra taty an-drenivohitra. Ireo tsy naninona loatra kosa dia navantana tao amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambatolampy ihany. Taorian’ny famonjena ireo naratra moa dia efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici