- Publicité SW45 -
jeudi, février 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Telo lahy nitondra kalaky nanafika, lehilahy iray maty voatifitra

Ambatolampy : Telo lahy nitondra kalaky nanafika, lehilahy iray maty voatifitra

Lasan’ny jiolahy ny 2 tapitrisa, vovoka volamena sy firavaka volamena. Dahalo telo mirongo basy “kalachnikov” no nanafika ny tanànan’Antsampandrano ny sabotsy alina lasa teo. Tsy nisy alaharo fa dia tifi-danitra no fiarahabana nataon’ireto malaso niditra ny tanàna. Tsy nanaiky anefa ity raim-pianakaviana iray mananika faha-66 taonany, fa nitady hevitra ny hamaly ireto mpanafika, teo no niseho ny fitifirana ka avy hatrany dia lasibatra io rangahy, maty tsy tra-drano moa ilay rangahy, Tsy nionona tao anefa ireto jiolahy, fa nikisaka nandroba fokontany iray tsy lavitra teo indray tao Belanitra.Ny tao tsy nisy namaly raha vao naheno ilay feom-basy fa dia nifitsaka koa dia nanarampo tamin’ny fandrobana ireto dahalo, lasa tamin’izany ary ny vola mitentina 2 000 000 ar sy ny peratra volamena ary ny vovo-bolamena 1,5g. Noho ny fiaraha-mientana nisy teo amin’ny fokonolona sy ny zandary tany an-toerana dia voasambotra velona ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo, ka natolotra ny fitsarana avy hatrany; hita teny kosa ny vodim-bala 7,62 laharana 61;98. Tena mahery vaika tokoa ny asan-dahalo tato ho ato ary tena tsy mitsitsy tokoa izy ireo amin’ny fitaovam-piadiana izay eny am-pelatanany fa tonga dia mamono sy mandratra avy hatrany izay sendra azy mandritra ny fanafihana izay ataony. Lahy tokana ny aina anefa , tsy ananam-piry fa raha sendra azy dia aleo omena izay tadiaviny fa tsy misomonga tokoa ry zalahy ireto ,mamono ireo izay mitetika ny hamaly na hiaro tsotra izao izay fanana nohariana nandritra ny taona maro.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser