Fanodikondinana sy fanolanana zaza tsy ampy taona no niampangana azy ary avy hatrany dia naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nandalo fitsarana. Teratany frantsay izy io ary tsy vitan’izany fa mompera ny asany teo aloha. Niala anefa izy taty aoriana ary lasa nitazona akany mpiahy zaza sahirana sy zaza kamboty. Tsy zaza iray no niharan’ny fanolanana tao anatin’ilay akany fa ireo izay mihoatra ny folo taona dia saika efa nandalovan’ity mompera niala ity ny ankamaroany. Norahonany hatrany anefa mba tsy hiteninteny na amin’iza na amin’iza ireo zaza. Ny niafarany dia nipoitra ihany marina ary tonga tamin’ny fitoriana azy. Mbola tsy fantatra hatreto ny fotoana hitsarana azy. Matetika dia lanian’ny fitsarana mihitsy ny enim-bolana fetran’ny famonjana vonjimaika rehefa misy ny tranga toy izao. Entina hamaizana ireo nahavanon-doza izany. Tsiahivina fa heloka bevava ny fanolanana zaza tsy ampy taona.
D.R