- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Tovovavy, naolana mpamilina taxi-môtô

Ambatolampy : Tovovavy, naolana mpamilina taxi-môtô

Noho ny fitsiriritana diso toerana. Lehilahy iray, mpitondra irony taxi-môtô iray no naiditra am-ponja vonjimaika, noho ny fanolanana nataony tamina tovovavy iray mpianatra, tany amin’iny faritr’ Ambatolampy iny, ny talata teo.

Filan-dratsy. Araka ny fanazavana azo, avy tamin’ny lehiben’ny kaomasarian’ny pôlisy ao Ambatolampy, dia tovolahy iray no nosamborina ary natolotra ny Fampanoavana, ny alatsinainy lasa teo. Tsy niafin’endrika akory mantsy ranamana, raha niditra an-tsokosoko tao amina tranona tovovavy iray 18 taona, mpianatra any an-toerana, sy nanatanteraka ny filan-dratsiny. Raha ny vaovao azo, dia fantany tsara fa mipetra-drery ity tovovavy ity; izay avy any ambanivohitra ary mamita ny fianarany eo an-tampon-tanana. Ny lehilahy kosa amin’io dia mpitondra irony taxi-môtô, izay fitaovam-pitaterana miasa be any ambanivohitra any. Azo heverina fa mety efa ho mpitondra an’ity rakalakely ity ny lehilahy ary nentanim-pitsiriritana mafy, ka niafara hatramin’ny fanaovana zavatra tsy fanao. Ny alatsinainy hariva teo no nidirany tampoka tao an-tranony, tao Ambanimaso, Atsinanan’ny gara ilay mpianatra. Avy hatrany dia notapenany lamba ny vavany ary nafatony ny tongony. Taorian’izay no nanamparany ny filàny. Vita ny nataony, dia nitsoaka ny lehilahy. Ny tsy tao an-tsainy anefa, fantatr’ity tovovavy ity tsara ny endriny sy ny mombamomba azy. Taorin’ny fitoriana napetrany teny amin’ny pôlisy, dia noraisim-potsiny ity tovolahy tsy nahay niaina ity. Natolotra avy hatrany ny Fampanoavana ny alakamisy teo. Taorian’ny fanadihadian’ireo mpitsara mpanao famotorana , dia napetraka vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambatolampy ny lehilahy. Izany tokoa angamba no tonga amin’ilay hira hoe, « ilay mahalehilahy io ihany … » nampiditra am-ponja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici