Ny 2 jiona teo, tao Ambatolampy, no tratra i Hery, dahalo mpangalatra omby. Efa nikohizana amin’ny faritra Andranovelona sy ny distrikan’Ambatolampy iny ity lehilahy ity. Ny 31 may teo no nangalariny ny omby vositra miisa 2. Nametraka fitoriana tany amin’ny Commissariat de Police ny tompon’ny omby ny 2 jiona. Ny androtr’io ihany dia nosamborina tany Andranovelona ity rangahy ity.
Maromaro moa ireo olona voarohirohy tamin’ity halatra ity ka anisan’izany ny ny lehiben’ny fokontany Andranovelona, ny Delegen’ny kaominina ambanivohitra Andranovelona, ny “quartier mobile”, ny veterinera, ny kaominina ambanivohitra Ambatolampy, ary ny mpivaro-kena iray sy ny mpandroaka ny ombiny.
Marihina fa tany amin’ity mpivaro-kena ity no tratra ireo omby roa very ireo. Natolotra ny Fitsarana ny 5 jiona teo ity raharaha ity, ka olona 3 no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’izany, dia i Hery ilay mpangalatra omby sy ilay mpandroaka ary ilay lehiben’ny fokontany tao an-toerana. Ny ambiny kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika. Ny loharanom-baovao moa dia avy amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny polisy ao Ambatolampy sy ny Distrika.
ALEM