Fiara mpitondra entana iray no nisolifatra noho ny lalan-dratsy tamin’ilay lalana mampitohy an’i Merimandroso sy Ambatomapy Tsimahafotsy iny, ny andron’ny zoma lasa teo. Vokany, ankizy kely iray, nandeha teny amin’ny sisin-dalana no voafaoka ary namoy ny ainy.
Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro teo no nitranga ity loza ity, raha ny angom-baovao voaray. Fiara mpitatitra entana, irony « fourgon » irony, izay mpitatitra entana ilain’ireo mponina any an-toerana. Avy any Merimandroso Ivato handeha any Ambatolampy Tsimahafotsy izy io, ary nivesatra legioma tamin’io fotoana io. Iaraha-mahalala ny faharatsian-dalana amin’iny faritra iny, izay ny ankabeazany dia mbola lalan-tany avokoa. Ankoatra ny haratsin-dalana dia nisy ihany koa ny tsy fitandreman’ny mpamily ka nahatonga io loza io, raha ny famotompotorana voalohany nataon’ireo mpitandro filaminana. Somary nisolifatra mantsy ny kodiaran’ity fiara ity ary tsy voatanan’ny mpamily intsony ilay fiara efa mavesatra. Izay fivilivilian’ny fiara izay no nandona mafy dia mafy ity ankizikely, vao enin-taona ity, teo amin’ny sisin-dalana. Naratra mafy vokatr’izay ity ankizy ity, izay nipitika mihitsy moa. Niezaka namonjy azy avokoa moa ireo nahita ny loza ary nitondra haingana azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambatolampy Tsimahafotsy, saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka no tonga tany. Tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io ihany koa moa dia efa nampilazàna ireo mpitandro filaminana ary efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.
m.L