
« Ataovy fitsaram-bahoaka », io no fitakian’ny fokonolona hampiharina amina lehilahy iray mandrahona andro aman’alina ireo mpiara-monina aminy. Ity lehilahy ity moa, dia mitonona ho mpiasan’ny fitsarana sy mahafantatra olona ao amin’ny faritany Ambohidahy. Mampihorohoro ny mponina amin’ny alàlan’io asany io izy ary efa nilaza mihitsy fa, tsy misy tsy voavidin’ny volany. Ny 6 desambra lasa teo, dia nisy namono ity lehilahy ity ka naratra tamin’izany. Ny 26 desambra anefa vao napetrany ny fitoriana ka olona telo no voarohirohy ary ambarany fa ananany porofo ny mahameloka azy ireo. Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny didy ka sazy iray volana eny Antanimora no hoefain’izy telolahy voakasiky ny fitoriana. Ny herinandro lasa teo indray, dia olona roa no naharay fiantsoana avy tany amin’ny polisin’ny faritany raha araka ny nambaran’ny filohan’ny faritra. Fantatry ny vahoaka avy hatrany, fa ity lehilahy ity ihany no ao ambadik’izao fiantsoana izao. Vaky ny ady teo aminy sy ny fokonolona izay efa ela niaretana fandrahonana. Ny alakamisy hariva teo, dia nanatanteraka fivoriana ny fokonolona handravonana ny disadisa sy hamahana ny olana kanefa dia tsy vita hatramin’ny farany noho ny korontana. Nisy olona voairaka manokana mantsy, raha araka ny filazan’ny solon-tenan’ny mponina, hanakorontana sy handrava ilay fivoriana. Niakatra ny hatezeran’ny fokonolona ka tonga hatramin’ny trano fonenan’ilay mpitory. Raikitra ny fifamaliana sy fikasihan-tànana teo amin’ny roa tonta ; saika tsy voafehy teto ny hatezeram-bahoaka. Vokany : nahitana ratra teny amin’ny vatan’ity lehilahy ity ary rehefa nanontaniana izy dia nanambara fa afa-jaza mihitsy ny vadiny noho ny vono nataon’ny fokonolona azy mianakavy, very ihany koa ny finday teny an-tanany izay ana mpitsara mpiara-miasa aminy. Milaza ny mbola hametraka fitoriana itsy farany noho izay zava-niseho izay. Nandà tanteraka ireo volaza ireo anefa ny vahoaka ary mbola manamafy ny maha mpandainga ity lehilahy ity.Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao Ambodifasina rehefa naharay antso handamina ny savorovoro tamin’io andro io. Ny asabotsy vao nifampidinika teny amin’ny biraon’ny zandary ireo voakasika voalohany tamin’ity raharaha ity niezaka namitram-pihavanana. Omaly maraina dia nifamory ny mponina fa hifanazava amin’ity lehilahy ity am-pahibemaso. Mbola nafana ny fifampiresahana, nisy ihany koa ny fifamaliana ary nangataka ny fifonan’ity mpitory ity ny fokonolona. Nilaza ny vadin’ity mpitory fa ananany porofo daholo ny vono rehetra ary fialonana azy ireo daholo izao zava-mitranga rehetra izao.
Kanto R. (Stagiaire)