Tsy nisy natory tao an-trano ka very ny moto fitondran’ny sefo ZAP any Ambatolampy Tsimahafotsy miasa andavanandro. Ny asabotsy alina tokony ho tamin’ny iray ora maraina dia nisy nanapitsoka ny trano fonenany. Misy rihana ny trano ka resin-tory tao ambany ny tompon-trano, ka izao nisy nanararaotra izao. Nisy nangalatra tamin’izany ny fitaovam-piasan’ity tompon’andraiki-mpampianarana ity. Irony moto nozarain’ny fanjakana ho an’ny sefo ZAP entin’izy ireo mivezivezy manatanteraka ny asany moa ity very ity. Niantso avy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimaria eny Merimandroso ny voatafika vantany vao tsikaritra ny fahaverezana. Nosokafana ny fanadihadiana ka nanatanteraka fanarahan-dia ireto mpitandro ny filamina entina mikaroka ity fitaovam-panjakana very ity. Tsy mbola nahita mangirana anefa izy ireo hatreto ary mbola manohy hatrany ny fikarohana. Tonga teny amin’ny Cisco Ambohidratrimo ny voatafika nanatanteraka tatitra omaly.
Kanto R. (Stagiaire)