Sanatria tranga fanakanan-dalana indray ve? Tsy nisy tsy nihorohoro ireo mpitondra fiara nandalo tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny harivan’ny alarobia teo. Fiara telo nitandahatra mantsy no indray lasibatry ny tora-bato tamin’io fotoana io teo amin’ny Tetezambato fokontany Lovainjafy, kaominina Ambohipihaonana, distrikan’Ambatolampy. Nahavoa an’ireo fiara soa amantsara ny vato ary nahapotika ireo fitaratra tamin’ireo fiara lasibatra. Soa ihany, tsy nisy ny naratra tamin’ireo mpandeha aloha vokatr’izay. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nilazana ny zandary ary nidina ifotony avy hatrany sy nijery ny zava-nisy ary niezaka niaro ireo mpampiasa lalana. Tsikaritra tamin’izany, hoy ny fampitam-bavovao, fa olona iray no tompon’antoka, izay tsy inona fa olona efa navarimbarin’ny toaka ka nanala vokona tamin’ireo fiara nandalo. Fa tsy sanatria dahalo hanakan-dalana akory. Mazava ho azy, nosamborina avy hatrany ity mamo tsy mahay miaina ity ary nentina nihazo ny birao ho amin’ny famotorana. Tsy vitan’ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka moa no nataon’ity lehilahy ity fa mbola niampy famotehana zavatr’olona. Fandikan-dalana azo hanenjehana azy tsara. Nisava tampoka angamba ny toakan’Ingahirainy taorian’ity fisamborana ity sy ny sazy mety ho azony… m.L
Articles qui pourraient vous intéresser