- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Voalaza ho mpamosavy, 20 no efa matiny teo an-tanana

Ambatolampy : Voalaza ho mpamosavy, 20 no efa matiny teo an-tanana

Nitroatra amin’izay ireo mponina tany amin’iny distrikan’Ambatolampy iny, tamin’ny fahafatesana nampiahiahy nahazo lehilahy iray teo an-tanana. Niely be mantsy ny feo fa hoe vokatry ny famosaviana nataona rangahy iray, efa malaza ratsy tao an-tanana no anton’izay. Nirohatra ireto fokonolona teo anatrehan’izany, nandeha nisambotra ity rangahy voatondro ho mpamosavy rain-dahiny ity. Ary dia voasambotra tokoa ny lehilahy, ny alahady lasa teo tany an-toerana. Natolotra avy hatrany teny anivon’ny mpitandro filaminana moa ity rangahy voalaza ho mpamosavy ity. Araka ny tati-baovao azo dia niaiky tokoa ranamana tao anatin’ny famotorana azy fa mpamosavy. Nambarany fa marina ihany koa ny feo mandeha fa tena izy tokoa no namono ilay lehilahy maty teo an-tanana tamin’ny fomba nampiahiahy, tamin’ny alalan’ny … famosaviana. Nambarany mantsy, araka ny fanazavàna azo hatrany fa amin’ny alalan’ny fanarahana maso isan’andro monja ny sakafo hohanin’izay olona hotetehiny dia ampy ahafaty ilay olona. Fa ny tena zava-doza nambarany tao anatin’ny fanadihadiana dia hoe efa manodidina ny 20 isa teo ho eo izay ireo olona novonoiny teo an-tanana tamin’ny alalan’ny famosaviana fotsiny ihany. Marary saina sa tena mpamorika tokoa ? Ny fitsaràna ihany angamba no afaka hamantarana izany amin’ny alalan’ny fanadihadiana lalina ataon’izy ireo. Ity rangahy ity rahateo, araka ny loharanom-baovao azo dia efa natolotr’ireo mpitandro filaminana eny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fakàna am-bavany azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici