Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao an-tampon-tananan’Ambatolampy tao. Zazavavy kely vao 6 taona monja no niharan’ny filan-dratsina lehilahy 38 taona; izay tsy iza fa rahalahin-drainy ihany. Ny talata alina lasa teo no niseho izany tranga izany, nandritra ny fetim-pianakaviana nokarakarain’ireto olona ireto tao amin’ny fokontany Ambatomena. Araka ny loharanom-baovao, dia nisy fotoana tsy nisy olona afa- tsy ity lehilahy ity sy ilay zazavavy kely fotsiny no tao an-trano. Nitsiry tamin’izany ny hevi-dratsin’ity olona tsy mifaditrovana ity. Raha ny filazan’ity zazavavy kely ity dia notambatambazany finday ilay zaza, mba hahazoany mora foana manampatra ny filàny. Nitomany noho ny fanaintainana ilay zaza, saingy tsy navelany higiaka sy hiantso vonjy. Ireo ray aman-dreniny, taty aoriana no nahatsikaritra fa hafahafa ny fandehan’ity zanak’izy ireo. Rehefa nojerena dia mbola nahitana ranonaina mifangaro rà tao anaty silipony. Ny fizahana natao taminy no nahafantarana fa tena potika ity ankizivavy kely ity. Rehefa nanontaniana izy, dia nilaza fa ilay rahalahin-drainy iny no nanao izany, ary nisy olon-kafa nahita ihany koa. Nosamborin’ireo pôlisy tao amin’ny kaomisarian’Ambatolampy avy hatrany ity rangahy ity. Niaiky ny heloka nataony ity rangahy efa tsy mifadi trovana ity, ary nilaza fa vitany an-tsakany sy an-davany ny zava-dratsy nataony. Tsy vitan’izay fa mbola nilaza izy fa efa fanindroany izay no nanaovany firaisana tamina zazavavy kely, saingy ny voalohany dia vitavita ho azy, satria dia nanaiky fifampiraharahana ny ray aman-dreniny. Nadoboka avy hatrany tany am-ponja izy rehefa avy nohenoina teny anivon’ny fampanoavana.
m.L