- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolaona : « Palissandres » 536 isa sarona, olona roa nosamborina

Ambatolaona : « Palissandres » 536 isa sarona, olona roa nosamborina

Manao tohivakana ny fisamborana ireo olona fanetriben’ny firenena, mpanimba sy mpamotika ary mpibizina ireo hazo ala arovana, indrindra fa tato anatin’ny faritra izay sahin’ny vondron-tobi-paritry ny zandary « Imerina Central » (IC). Ny alahady lasa teo mantsy dia fiarabe iray, nitondra hazo sarobidy « palissandres » an-jatony mahery no tra-tehaka tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny.

Raha ny fanazavana azo dia niainga avy tamin’ny vaovao azo tamin’ny olona tsara sitrapo, izay nampilaza avy hatrany ny lehiben’ny vondron-tobi-paritra IC, no nahazoana izao vokatra izao. Voalaza fa niainga avy tany amin’iny faritra  Alaotra Mangoro iny ity fiarabe ity mitondra hazo sarobidy ity. Napetraka avy hatrany ny paik’ady rehetra, hamantarana izany fiarabe izany. Nomena baiko ireo zandary misahana ny fifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny hisava tanteraka izay fiarabe mandalo rehetra, handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Tamin’io andron’ny alahady io, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo, no voasakan’ny zandary tetsy amin’ny zana-tobi-paritra Ambatolaona ny kamiao lehibe iray, izay nitondra hazo an-jatony isa. Tsy nisy taratasy mazava sy ara-dalàna teny amin’ireo olona tao anatiny rehefa nosavain’ireo mpitandro filaminana. Tetsy andanin’izay rahateo moa, raha ny fanazavana azo hatrany dia mbola voarara ny fitrandrahana izany hazo izany aloha hatreto. Tamin’io fotoana io dia nogiazana ireo hazo sy ilay fiara nitondra azy. Mitotaly teo amin’ny 536 ny isan’izy ireo, izay hazo « palissandre » efa vita rafitra ho efa-joro. Raha ny voafaritry ny lalàna dia notazomina natao fanadihadiana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary tao Ambatolaona ireo roalahy, ny mpamily sy mpanampy azy. Ankoatra azy roalahy ireto moa dia fantatra fa mbola misy olona karohina fatratra amin’izao. Vehivavy iray, izay  voalaza fa tompon’ireto hazo sarobidy ireto. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra amin’izao. Fanadihadiana, izay hiarahan’ny avy eo anivon’ny zandary miasa miaraka amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana eto Analamanga.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici