- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilÀ lireAMBATOLAONA: Valo mianaka may kila tao an-trano

AMBATOLAONA: Valo mianaka may kila tao an-trano

Nitrangana hain-trano mahatsiravina tany amin’ny tanànan’Antandrona, any Ambatolaona – Manjakandriana afak’omaly, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. olona valo mianaka anatina fianakaviana iray no indray namoy ny ainy tao anatin’izany dia izy mivady 47 sy 35 taona. Ny zanak’izy ireo sasantsasany izay 9-7-6 ary iray taona sy roa volana. Niara-namoy ny ainy tamin’izy ireo ihany koa ny zafikeliny 3 taona sy roa taona. Voalaza fa fianakaviana mpanao saribao ireto niharan-doza ireto. Ary matory any an-tsaha ry zareo rehefa miasa. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia doro-tanety no niatombohan’ny afo ary izao niafara tamin’ny faty olona izao. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay nandoro ity toerana ity, ary mbola tsy hay ihany koa raha afo niniana natao mba hamonoana azy mianakavy na dia doro tanety tsotra izao. Efa eo am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana avy ao Ambatolaona amin’izao fotoana izao mba hahafantarana izay tena marina amin’ity hain-trano namoizana ain’olona marobe ity. Matetika  no aharenesana doro tanety any amin’iny faritra iny noho ireo mpanao saribao marobe, ary fotoanany mihitsy izao. Ny valin’ny fanadihadiana hataon’ny zandary no hahafantarana ny marina rehetra.

 

A.R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser