- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomainty : Lasan’ny jiolahy mitam-basy hatramin’ny peratra mariazy

Ambatomainty : Lasan’ny jiolahy mitam-basy hatramin’ny peratra mariazy

Tsy nisy namelan’izy ireo mihitsy izay entana azo nobataina tao an-trano. Hatramin’ny peratra volamena izay peratra mariazy aza dia nasaina nesorina teny amin’ny ratsan-tanan’ny tompon-trano. Teny Ambatomainty no nitranga ny fanafihana ny alin’ny talata teo. Enin-dahy ny tompon’antoka tamin’izany ary nitondra poleta roa. Nambanana tamin’ny basy ny olona tao an-trano rehefa avy novakiana ny varavarana mba hahatafidirana tao anatin’ilay tokantrano. Tsy nisy namely ny rehetra noho ny fisian’ny fitaovam-piadinana nentina nandrahonana azy ireo. Ireo enin-dahy rahateo toa tena vonona ny hamono ny endriny sy ny fihaviny. Lasa tao anatin’ity fandrobana mitam-basy ity ny vola mitentina 3.4 tapitrisa ariary izay notahirizina tao an-trano. Tsy nionona tamin’ny vola ireo olon-dratsy satria mbola nobatain’ireo koa izay nifanandrify tamin’ny masony ka hitany fa mety ho lafo vidy. Nobataina ny solosaina telo, ny gitara eletrika, ny fakan-tsary ary koa ny peratra volamena, arak’izay voalaza etsy ambony. Ny zandary eo anivon’ny kaompania Tana-Ville no miandraikitra ny famotorana. Etsy andanin’izay, mbola nisy fanafihana mitam-piadiana iray hafa koa tetsy Antsahakely, kartie iray eo anivon’ny boriborin-tany fahatelon’ny kaominina Antananarivo. Io indray dia mpivarotra no notafihan’ny enin-dahy izay samy mitazona basy PA iray avy. Mazava hoazy fa tsy misy na inona na inona azo natao ankoatry ny nanaraka ny baikon’ireo olon-dratsy. Lasa ny vola mitentina 1.4 tapitrisa ariary izay vidin’ny entana lafo tamin’iny andro iny. Lasa koa ny findain’ny mpivarotra sy ny kara-panondrony. Mitady hissy indray ny fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra satria alina roa misesy izany no nisy toerana roa voatafika. Ny mampitovy azy dia samy enin-dahy hatrany ny nanatontosa ny fanafihana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici