Tsy eny an-dalam-be, tsy anaty fiara, tsy miala amin’ny fiara … fa dia lasibatry ny jiolahy avokoa ! Toy ity nitranga tamina ramatoa iray, tetsy Ambatomainty, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Dimy lahy, nirongo basy sy sabatra no indray nanatona azy, nanambana basy ny nibata ilay ramatoa ary naka ireo zavatra rehetra teny aminy. Araka ny fantatra dia avy niasa ity ramatoa ity, ary naterin’ny fiaran’ny mpiasa teo akaikin’ny trano. Nandrasan’ireo olon-dratsy ho lasa tsara anefa ilay fiara nanatitra azy vao tamy nanatona nanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Niezaka nitsoaka ihany ity ramatoa ity saingy herim-behivavy ihany ka nosakanan’ireo dimy lahy mora foana. Basy avy hatrany no niantefa teny aminy ka tsy afa-nikofoka intsony na dia somary nanohitra kely ihany aza. Vao azon’ireo olon-dratsy ny pôketra sy ny vola ary ny findainy dia nirifitra nitsoaka nihazo elakelan-trano avy hatrany izy ireo. Tsy fantatra intsony amin’izao izay asiana ny tongotra, noho ity firongatry ny asan-jiolahy ity. Raha vao manomboka mihamaizina tokoa ny andro dia efa tsy atokisana intsony ny eny an-dalana. Toy ny eny amin’ny faritra 67ha iny tokoa mantsy dia malaza izany « bande de 5 » izany, izay mampihorohoro ny eny an-toerana, araka ny filazan’ireo mponina, manendaka sy manafika ireo mpandeha an-tongotra na ireo mpitondra fiara.
m.L