Mikiakiaka mafy ary lasa mandrifatra izay voa. Fantatra araka ny vaovao voaray avy any Ambatomanohina fa misy aretina hafahafaha mahazo vehivavy efa ho 15. Ny olona sasany milaza fa ambalavelona ilay izy. Rehefa mihetsika ilay aretina dia milaza fa mahita fatim-behivavy izay voa ary mikiakiaka mafy dia mafy. Avy eo mitady handrifatra ary tsy voatanan’olona dimy lahy matanjaka mihitsy. Vehivavy iray no voa farany. Tamin’izay fotoana izay, nasaina nikiky trondro tao an-dakozia izy. Raha mbola teo am-panaovana ny raharahany teo anefa izy, dia nisy olona henony niteny taminy ny hamita izany haingana. Rehefa nitodika izy dia nilaza fa nahita faty. Raiki-tahotra ny anao vavy ka nandrahoiny ireo hazan-drano na dia mbola nisy tsy voakiky aza. Efa nanomboka ho maizina ny andro. Voalazan’ny vaovao hatrany fa nandeha tany amin’ny efitra hafa ary dia nahita fatim-behivavy roa teo ambony latabatra. Nikiaka faran’izay mafy ity olona ity. Tonga nijery azy ny tao an-trano ary nisy ny niezaka nitazona azy fa tsy nahavita izany. Rehefa tony moa izy dia nentina tany amin’ny mpitsabo. Misy olona iray ahian’ny mpinona ho nanao izao zavatra izao. Malaza any amin’ilay tanàna kely nisehoan’ity aretina ity, fa rehefa fahavaratra ohatran’izao dia misy hatrany ny vehivavy marary sahala izao. Ny mahavariana ny mponina dia izao, matetika ny ankizy mpianatra no voan’ity zavatra ity fa tsy ny vehivavy lehibe.
r.s.