Rehefa nahazo vola ireto jiolahy, novonoiny ny iray tamin’ireo ankizy nalainy an-keriny tany Ambatomanoina. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ka nisy tratra taty Antananarivo ny olon-dratsy. Voasambotry ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina niaraka tamin’ny zandarimaria Imerina Afovoany ireo jiolahy mpaka an-keriny miisa fito ka vehivavy ny iray tamin’izy. Nandritra ny fakan’izy ireo ankeriny zazalahy roa: 16 taona sy 13 taona tany Amparihibe, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe ny herinandro lasa teo nahatra-tehaka azy ireo. Nitaky vola tamin’ireo ray aman-drenin’ireo zaza ireo mpaka an-keriny, ny 26 okobra ka vola mitentina 3.600.000 Ar no azon’izy ireo tamin’izany, saingy tsy naverin’izy ireo ny zaza roa nalainy an-keriny. Ny ampitson’io, hita tao amin’ny fokontany Ambodirano, Amparihibe, kaominina Ambatomanoina ny vatana mangatsiaka an’ilay ankizy 16 taona novonoin’ireo mpaka an-keriny. Nanao ny paikady rehetra ny zandary izay nampian’ireo zandary ao amin’ny vondrontobim-paritry ny zandarimaria Imerina Afovoany, notarihin’ny kaomandy lefitry ny vondrotobim-paritra Imerina Afovoany, ny Lietna Ramanantsoa, ka nandritra ny antso nifanaovana tamin’ireo jiolahy no nahatratrarana ny vehivavy iray taty Antananarivo sy ireo namany enin-dahy. Tratra tany amin’izy ireo ny basy lava nampiasainy sy ireo ambiny vola nalainy. Ilay zaza 13 taona kosa mbola tsy hita fa notazomin’ireo jiolahy telo hafa naman’izy ireo ary mbola karohina hatramin’izao. Fantatra tamin’izany fa fianakavian’ny ray aman-ndrenin’ireo zaza natao takalon’aina ihany ireto mpaka an-keriny ireto. Natolotra ny fitsarana eny Anosy ny alarobia teo ireto jiolahy ireto.
Yv Sam