Raim-pianakaviana iray, 70 taona no maty tsy tra-drano rehefa voatifitry ny dahalo. Nivoaka avy hatrany teo an-davarangana mantsy ity farany, raha vao nisy nikotaba tany an-trano, omaly nisasaalina, kanjo bala no niantefa teny amin’ny lohany. Nitatatata nandrovitra ny fahanginan’ny alina indray ny basy, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo tao amin’ny tanànan’Ambanilalana, kaominina Ambatomanoina, distrika Anjozorobe. Nifanandrina ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina sy ireo andian-dahalo amam-polony, nikasa ny hangalatr’omby tao an-toerana. Raha ny vaovao azo tokoa mantsy dia tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any no tonga tao amin’io tanàna voalaza io ny dahalo am-polony, nirongo basy. Tamin’io fotoana io, rehefa naheno ny korontana tany an-tokontany ny raim-pianakaviana no nivoaka avy hatrany nijery ny zava-nisy, tsy nanam-po na inona na inona. Kanjo tifitra no nasetrin’ireo mpanafika izany ary nahalavo azy teo no ho eo. Nandritry izay fotoana izay kosa, nisy zandary maromaro nanao fisafoana toy ny isan’alina, nandalo tsy lavitra ny tanana ary niditra an-tsehatra. Vantany vao nahatazana ireto mpitandro filaminana anefa ireo olon-dratsy dia nampiteny ny basy teny aminy indray. Raikitra teo ny fifamaliana tifitra. Nanao tongotra an-katoka nitsoaka ihany anefa ireo mpanafika, rehefa tsy nahatohitra ireto zandary, tsy nahavita akory izay asa ratsy nokasain’izy ireo atao. Taorian’ny fitiliana natao moa dia nomena ny fianakaviana ny vatana mangatsiak’ilay rangahy voatifitra. Tetsy andanin’izay kosa dia efa mandeha ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto olon-dratsy mpanafika ireto, ataon’ireo zandary any an-toerana.
m.L