Mpisehatra iray eo amin’ny lafiny fikarakarana mariazy amin’ny alàlan’ny fakàna sary no nisy namono tetsy Ambatomaro Antsobolo, ny sabotsy lasa teo. Soa ihany anefa fa mbola afaka niantso vonjy izy ka nivoaka haingana ny fokonolona.
Teny amin’iny làlana malaza iray antsoina hoe Bibilava, eny Ambatomaro Antsobolo no nitranga ity famonoana niniana natao ity. Araka ny fitantaran’ity niharam-boina, dia nisy « client » niresaka taminy, ny omaly harivan’io nahavoa azy io. Miendrika vehivavy ity farany, izay nandefa hafatra taminy tamin’ny alàlan’ny Facebook. Nitalaho tokoa ity farany fa hoe lasa tampoka ny olona tokony haka sary amin’ny mariazin’ny zandriny ka mila olon-kafa maika dia maika izy. Rehefa raikitra ny ady varotra, dia nanome fotoana teny amin’ity làlan’i Bibilava ity, ilay « vehivavy » izay voalazany fa misy ilay toerana hitondrana ilay mariazy. Nanafatrafatra izy tamin’izay, fa tsy mahazo mitondra olon-kafa ilay mpaka sary, fa izy irery ihany miaraka amin’ny fitaovany rehetra. Nony tonga ny ampitso ary tonga teo amin’ilay toerana nifanaovana fotoana ity mpaka sary, izay nitondra môtô dia telo lahy niaraka tamin’ny sabatra sy ny « matraque » no efa niandry azy teo. Tsy nisalasala ireto farany, fa avy hatrany dia namono azy. Voan’ny sabatra teo amin’ny kibony sy tratran’ilay « matraque » teo amin’ny tarehiny. Soa ihany anefa fa nanao « casque » hoy ny filazany ka tsy nahavoa loatra azy ity fitaovam-piadiana. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Nivoaka avy hatrany ny olona, ny andro rahateo mbola antoandro ka nanao tari-dositra nitsoaka ireo mpanafika, tsy nahazo n’inona n’inona. Naratra vokatry ny vono nahazo azy kosa ilay mpaka sary. Mila mailo tanteraka tokoa amin’izao, fa tsy kely làlana ny ratsy, indrindra fa amin’ity resaka tambajotra sosialy ity. Afaka manamboatra anarana sy sary tsy izy, « compte fake » mantsy ireo olon-dratsy ary iny no entiny miresaka sy manjono ireo ataony ho hazany.
m.L