- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Bandy kely roa lahy, nahatratrarana antsy lava lela

Ambatomaro : Bandy kely roa lahy, nahatratrarana antsy lava lela

Miverina mirongatra indray ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ambatomaro iny, eny fa na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo pôlisy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo misahana izany. Araka ny tatitra aza dia mazàna, tontakely amin’ny faritra hafa no tonga manao ny asa ratsiny eny an-toerana. Toy ireto voasambotr’izy ireo, tamin’iny herinandro iny. Araka ny tatitra dia avy eny amin’ny faritra Ambohimahitsy izy ireo kanefa eny Ambatomaro no manao ny asa ratsiny. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo moa dia mbola nahitàna antsy lavalela, fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny tany amin’izy ireo. Tsy mitsahatra manao ny fisafoana tokoa ireo mpitandro filaminana, indrindra fa amin’ireo faritra izay lazaina efa nalaza ratsy teny an-toerana. Toy iny lalana midina mihazo ny fokontany sy orinasa afak’haba iray eny an-toerana iny. Kanefa mbola mahita irika ihany ireo tontakely. Raha tsy hiteny afa-tsy izany lalana izany izao, ekena fa efa nasiana andrin-jiro manazava tokoa kanefa misy ampahany mbola maizina, eo toerana antsoina hoe « zôridira », izay fiafenan’ireo mpifoka rongony sy tontakely. Torak’izany ihany koa ny mihazo ny toerana antsoina hoe « Ambatolampikely ». Ny nahatratrana an-dry zalahy ireto izao dia tamin’ny iray ora maraina, raha mbola teo am-panosehana  ny kodiaran’ny fiarabe iray izy ireo. Izay fantatra fa « pneu de secours »n’io fiara io, izay nangalarin’izy ireo. Ny azo antoka dia tsy maintsy misy mpandray izay kodiarana izany, izay marihana fa lafo vidy tokoa, ary mety efa ho tambajotra mihitsy. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika izay. Izy roa lahy ireto kosa efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici