Entana miteti-bidy eo amin’ny 70 tapitrisa ariary teo ho eo, niaraka tamina fiara roa, marika Chevrolet sy Hyundai no indray very tao amina tokantrano iray. Rehefa nandeha ny fikarohana nataon’ireo pôlisy dia garazy iray teny Ambatomaro no nahitàna ilay fiara iray, izay efa noravaravan’ireo olon-dratsy. Niainga teo ny fanadihadiana rehetra ka nahafahana nisambotra olona dimy, izay heverina fa efa rain-dahiny tanteraka amina resaka halatra fiara. Teny anivon’ny kaomisarin’ny boriborintany fahatelo tetsy Antaninandro no nandray an-tanana ny raharaha voalohany saingy noraisin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahatelo izany rehefa hita fa tena tambajotra matanjaka ny ao ambadika. Fantatra teo fa efa nisy olona roa voasambotra tao amin’ilay garazy, izay tsy iza fa ny zaodahin’ilay tompon’entana very ihany.
Rehefa natao ny famotorana ireto farany dia nitohy tany amin’iny faritra Miarinarivo iny fikarohana ireo olona hafa tao ambadik’ity halatra fiara sy entana ity. Tratra tany an-toerana araka izany ilay fiara faharoa izay fiara tsy mataho-dalana marika Hyundai. Olona telo indray hatreo no voasambotra tamin’io raharaha io. Raha ny fampitam-baovao azo dia mbola misy olona hafa naman’izy ireo mandehandeha any ary mbola eo an-dalam-pikarohana azy ireo ny pôlisy amin’izao fotoana io. Nentina nampiakarina avy hatrany taty an-drenivohitra moa ireto telolahy voasambotra, nanaovana famotorana. Ary natolotra teny anivon’ny fampanoavana omaly, niaraka tamin’ireo namany roalahy voasambotra taty Antananarivo. Raha ny fantatra dia nadoboka am-ponja avokoa izy ireo, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna.
m.L