- Publicité -
vendredi, février 6, 2026
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Feon’ny « echappement moto » noheverina ho poa-basy nirefodrefotra

Ambatomaro : Feon’ny « echappement moto » noheverina ho poa-basy nirefodrefotra

Amin’ny sivy ora sy sasany alina. Na dia efa somary mangina aza ny lalam-be ary efa any an-tokantranony avy any ny tsirairay, dia mbola tsy dia misy matory loatra ny mponina eny amin’iny faritra Ambatomaro iny amin’izany ora sy fotoana izany. Tamin’izay indrindra anefa no nisy zavatra nirefodrefotra tany ho any. Raha ny fahenoana azy mivantana dia toa ireny basy marovava mirefodrefotra ireny mihitsy. Ary tsy indray mandeha anefa fa niverina indray izany tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any …

Tsy ela ny vaovao dia efa tonga teny am-pototsofin’ny pôlisy misahana iny faritra iny ary poa toa izay ihany koa ny fandefasana mpitandro filaminana teny an-toerana, hijery akaiky ny zava-nisy. « Tsy nisy « opération » pôlisy nandeha teny an-toerana, kanefa gaga izahay fa betsaka ireo olona nampandre avy hatrany ny kaomisaria », hoy ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Rehefa natao ny angom-baovao isan-karazany dia voalaza fa « moto » teny amin’ny lalam-baovaon’Ambohimahitsy teny no tompon’antoka, hoy ireo mpitandro filaminana. Fa tsy sanatria fanafihana na hoe mpitandro filaminana mifanenjika amin’ny olon-dratsy. Marihina fa efa nandraisana fepetra izany toe-javatra izany, araka ny vaovao azo hatrany.

Tsy nitsahatra nanentana hatrany moa ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo mahakasika ireo tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Raha ny mikasika an’Ambatomaro manokana, taorian’ireo tranga nampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana teny an-toerana dia misy hatrany ny fijoroan’ireo pôlisin’ny kaomisaria na ny pôlisy avy ao amin’ny vondron-kery manokana, misafo tsy tapaka izany faritra izany, indrindra fa amin’ny alina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter