Teo am-pikasàna hanao fanafihana teny an-toerana ry zalahy ireto no tonga haingana ireo polisy avy ao amin’ny vondrona manokana, USI na ny Saka Mainty. Raikitra ny an-kitifitra. Maromaro ireo olon-dratsy lavo.
Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, ny alahady teo, nirefodrefotra ny basy teny Ambatomaro teny. Tsy lavitry ny toerana antsoina hoe “sampanan’i rakmal” raha ny filazan’ireo mponina. Andiam-pitandro filaminana misaron-tava sy miakanjo mainty no nifanandrina tamin’ andian’olona maromaro. Araka ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia vaovao tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’izy ireo fa misy andian’olona mampiahiahy, ahiana ho mikotrika fanafihana teny an-toerana. Nalefa teny an-toerana avy hatrany ity vondrona manokana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika ity. Teny amin’iny faritra iny moa izay hiaraha-mahalala fa toerana somary mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Manginy fotsiny ny fisiana andin’olon-dratsy fantatry ny rehetra amin’ny petak’anarana hoe “capsat”, izay tsy mitsahatra mampitondra faisan’ireo mponina.
Tamin’ny fidinan’ireo Saka mainty teny an-toerana dia tena nifanena tamin’ny lehilahy maromaro tokoa izy ireo. Ireto farany raha vao nahita ireo mpitandro filaminana, avy hatrany dia nanao tari-dositra ary namoaka sy niezaka nampiasa ny fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo. Voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana, hoy hatrany ny filazan’ny polisy ka namaly tifitra. Niafara tamin’io fifandonana mahery vaika io sy rà mandriaka io. Efatra tamin’ireo andian’olona nampiahiahy no lavon’ny bala. “Nahitàna basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala miisa roa ary antsy miisa roa teny amin’ireo jiolahy” raha ny vaovaon’ny polisy hatrany.
Hatreto aloha mbola tsy fantatra na isan’ireo jiolahy ao anatin’ilay fikambanan-jiolahy voalaza etsy ambony ry zalahy ireto na tsia. Ny hany voalaza hatreto dia mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo tafatsoaka tamin’ity fifandonana ity. Na izany na tsy izany aza anefa, azo lazaina fa mety hilamin-tsaina ireo mponina eny an-toerana manoloana izao vokatra izao. “Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao haingana avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nahazo ity vokatra ity koa manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy anaty fiarahamonina” araka ny fanentanana nataon’ny polisy
m.L



