Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Ambatomaro Antsobolo iny omaly antoandro. Jiolahy efatra saika hanafika teny Ambolokandrina no nifanenjehan’ny pôlisy hatreny an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana ka nisy roa tamin’izy ireo no voatifitra, raha tafaporitsaka kosa ny ambiny.
Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo no nisoamaritaka tanteraka ireo mponina teny amin’iny faritra manodidina an’Ambohipo, Ambolokandrina, Bibilava sy Antsobolo iny. Raha ny fanazavàna azo dia nisy andian-jiolahy nikasa hanafika toeram-pivarotam-panafody teny Ambohipo tamin’io fotoana io. Efa nahafantatra ity vaovao ity anefa ireo pôlisin’ny UIR izay efa niatrana sy nanomana paik’ady teny an-toerana. « Naharitra herinandro teo ny fanaraha-maso nataon’ny Polisy azy ireo ka androany (ndlr : omaly) no voatondro fa hanaovan’izy ireo ny fanafihana eny Ambohipo ary ao amin’ny toeram-pivarotana iray eny an-toerana », hoy ny fanazavàna azo. Tonga teny tokoa ireo olon-dratsy ary nahatsikaritra fa nisy nanaraka, hany ka avy hatrany dia nanao tari-dositra. Nanomboka teo ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia voalaza fa nitondra basy poleta sy sabatra ireto andian-jiolahy ireto. Nanohitra ireo pôlisy izy ireo tamin’izay ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana, nahavoa ny roa tamin’ireo olon-dratsy, izay naratra mafy ary namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Voalazan’ny vaovao hatrany fa isan’ireo olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’ireo faritra ireo izy ireo. Mbola mitohy moa hatreto ny fikarohana ireo naman’izy ireo roalahy tafatsoaka.
m.L