Nanomboka ny alahady teo no tsy afaka nandeha teo amin’ity lalana ity intsony ireo fiarabe mpandalo matetika eo, satria nisy ampahany nototofan’ny tompon’ny tany. Tezitra noho izany mpampiasa izany, ireo tompon’ireo fiarabe mpandalo eo, ka niantso fokonolona manodidina, hanao sonia, hamerenana indray izany lalana izany. Nisy ny fitangoronana be omaly tetsy Ambatomaro, amin’iny lalana midina mihazo ny toerana antsoina hoe « advantista » iny, miaraka tamin’ny tandahatra fiarabe ampolony, tsy afa-nandeha. Tonga teny an-toerana nandamina ny raharaha ny Sefo fokontany, izay efa nampandre ny ambaratonga mahefa rehetra.
Raha ny voalazan’ireo mpitaky dia efa lalam-bahoaka hatrany amin’ny taona 1975 izy io, ary lalam-pirenena faharoa taloha. Tsy manan-jo hanototra sy hanakely izany izany lalam-bahoaka izany ilay olona. Etsy andanin’izay voalazan’izy ireo fa mitoka-monina tanteraka ireo mponina, mpindrana izany lalana izany isan’andro. Saika ny ankabeazan’izy ireo moa dia mpamongady amin’ny resaka PPN avokoa ka mampiasa fiarabe izay mandalo eo isan’andro. Nezahinay nangatahana fanazavana moa io voalaza fa nanakana lalam-bahoaka io, ary nilaza mazava sy nampiseho antonta-taratasy ara-panjakana sy didim-pitsaràna maromaro, manaporofo ny maha azy ny tany, ary ataony amin’izay hilavàny azy. Voarakitra ao tokoa mantsy fa lalana manokana na « chemin privé » izy io fa tsy lalam-bahoaka izany akory ary tsy mandalo eo velively ny lalam-pirenena faharoa taloha. Nambarany ihany koa fa efa ady efa ela izy io, saingy nahazo rariny avy any amin’ny Fitsaràna foana ny tenany, saingy noho ny fiaraha-monina dia nisy ireo zavatra hafa nolefereny sy mbola namelany ireo fiarabe hivezivezy. « Nisy ny fifanarahanay saingy notapahin’izy ireo izany ary izao miverina manao amboletra izao indray izy ireo. Etsy andanin’izay, amin’izao dia tsapa fa misy fiantraikany amin’ny tranoko, izay manomboka misy triatra, ny firodorodoan’ireo fiarabe ireo. Antony nandraisako fepetra ny hanototra ny ampahan’ilay lalana, eo amin’ny taniko » hoy izy. Marihana fa nisy ny fampiantsoana ity renim-pianakaviana, tompon’ny tany ity, eny anivon’ny Kaominina anio ary ho hita eo ny tohiny.
m.L