- Publicité SW45 -
samedi, décembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Lehilahy 60 taona maty, may kila tanaty hain-trano

Ambatomaro : Lehilahy 60 taona maty, may kila tanaty hain-trano

Nitrangan’ny hain-trano goavana namoizana aina tetsy Ambatomaro ny alin’ny alarobia lasa teo. Trano iray lehibe, ambanin’ny fiangonana Fjkm teny an-toerana no potika tanteraka, ravan’ny afo tao anatin’izany loza izany. Araka ny fampitam-baovao azo dia lehilahy iray, izay nanana areti-nitaiza no tsy afa-nitsoaka sy voafandriky ny afo ary namoy ny ainy tao anatin’izay. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny fahamaizana, hoy ny fanazavana azo avy amin’ireo tompon’andraikitra. Fa raha ny hitan’ireo mpamonjy voina sy ny ekipan’ny Fitaleavana mitantana ny Tandindondoza sy ny Loza eto anivon’ny tananan’Antananarivo Renivohitra, nidina ifotony teny an-toerana dia rava tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay trano misy rihana. Potika zato isan-jato izany trano izany, izay nahitàna efitra telo ambony ary efitra telo ambany. Nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany alina teo ho eo no nijolofotra ny setroka, narahin’ny lelafo nijoajoala nanaka-danitra. Nisy avy hatrany ny antso vonjy nataon’ny manodidina. Na dia teo aza ny fikirizan’ireo fokonolona niezaka namono afo tamin’ny alalan’izay ambin-drano kely tany amin’izy ireo dia toa vao mainka nirehitra ny afo ary natahorana mafy hihazo ny trano manodidina. Eny an-toerana ihany koa, efa iaraha-mahalala ny krizin-drano iainan’ny mponina isan’andro isan’andro. Fotoana fohy taorian’izay no tonga ny mpamonjy ny voina. Naharitra fotoana maromaro ihany vao voafehy tanteraka ny afo ary tsy natahorana hihitatra intsony. Talohan’izay dia efa nisy ihany ny ezaka natao mba hanavotana ilay rangahy lehibe tavela tao, saingy indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony ny taminy. Tokantrano telo ary olona sivy no rava fananana tamin’ity loza ity. Ireto tompon’andraikitra teo anivon’ny kaominina nidina ifotony teny an-toerana moa, taorian’ny fampihaonana sy ny fankaherezana ny mana-manjo dia nanao ny fanentanana sy ny fanamafisana ny tokony hahamailo hatrany ny rehetra sy hitandremana amin’ny afo, mba tsy hiverimberenan’ny loza tahaka izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici