Ratsy ny toaka. Lehilahy iray, monina eny amin’iny faritra Ambatomaro iny no namono nahafaty ny zanany, izay vao roa taona monja, raha iny izy mamo iny ka nangata-bola tsy nahazo tamin’ny vadiny. Nomeny norambasan’ny alika ilay tsy manan-tsiny tamin’io fotoana io. Ny sabotsy teo no nitranga ity habibiana ity. Araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy, izay tonga nisambotra ity ray tsy mahataho-tody ity dia mamomamo ny anao lahy tamin’io andron’ny sabotsy io. Tanana iray eny an-toerana no ipetrahan’ity farany, izay sady toeram-piasany ihany satria dia mpiambina io tanana io ny asan-drangahy. Nangataka vola 10.000 ariary tamin’ny vadiny ingahirainy tamin’izay fotoana izay, izay inoana marimarina fa tsy maintsy mbola handeha hireveny. Nandà ankitsirano anefa ramatoa. Niaka-pofona tanteraka ny lehilahy rehefa tsy nahazo ary nandrahona tanteraka ity farany fa havoakany ny alika, izay isan’ny mpiambina ilay tanana ihany koa. Nanao don-tandroka ravehivavy fa tsy hanome mihitsy ary tsy matahotra izay alika eo. Ary dia notanterahan’ilay tsy valahara tokoa ny teniny, ary toa nasainy nankao an-trano mihitsy hanenjika ilay vadiny. Nitsoaka teny am-baravakely anefa ity vadiny ka tsy azon’ireo alika. Indrisy anefa fa ny zanak’izy ireo, izay vao roa taona monja no hany tsy tafatsoaka tao an-trano ary dia norambasan’ireto alika tsy nananan’izy ireo antra. Diana kaikitra enina teny amin’ny hatony ary dian-drangotra tsy hay isainy intsony no nameno ny vatan-keliny. Indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy, na dia teo aza ny famonjena azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nametraka fitairanana teny amin’iny pôlisy avy hatrany moa ilay renim-pianakaviana ary tonga nisambotra ity ray adalan-toaka, nahavita namono ny zanany ity ireto farany. Fantatra fa omaly izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L