- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Mpivarotra iray notafihana jiolahy nirongo basy

Ambatomaro : Mpivarotra iray notafihana jiolahy nirongo basy

Ny alin’ny talata tamin’ny 9 ora, mpivarotra iray eny amin’ny faritra Ambatomaro no notafihana jiolahy miisa dimy nirongo basy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vao avy nanidy tsena tsy ela ny tompony. Avy hatrany dia nopitsohan’ireo mpangalatra ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Rehefa tao an-trano ry zalahy dia voaambana basy ny rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika. Nalainy ny vola rehetra. Raha vao azony izany dia lasa nandeha ireo mpandroba. Tsy naharitra ela ny fanafihana fa vetivety ihany. Tamin’ny fotoana nandehan’ireto olon-dratsy ireto dia nisy olona nifanena taminy. Avy hatrany dia voadaroka izy io ary naratra.

Tsy nisy ny basy nipoaka sahala tamin’izay niseho teny Analamahitsy ny talata hariva taorian’ny nanafihana valo lahy mpivarotra efatra. Vao lasa ireto mpandroba ireto dia nampandre ny mpitandro filaminana ny mponina. Efa tsy nisy tratra intsony anefa ireo mpangalatra. Ny talata alina izany, fanafihana indroa miantoana no niseho teto an-drenivohitra. Mandry andriran’antsy ny mponina indrindra ireo mpivarotra voakatr’izany. Amin’ireo fanafihana ireo dia efa misokatra ny fanadihadiana amin’izoa fotoana izao.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser