- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Taxibe nanenjika "tour" nivadibadika ambony ambany

Ambatomaro : Taxibe nanenjika « tour » nivadibadika ambony ambany

Soa ihany fa tsy mbola nitondra mpandeha. Fiara fitateram-bahoaka iray, izay mampitohy an’Ambatomaro Antsobolo sy 67ha no niharan-doza tetsy Antsobolo, omaly vao mangiran-dratsy. Hatairana ny an’ny rehetra, ho an’ireo mpampiasa lalana maraina avy eny amin’ny Bibilava hihazo an’Ambatomaro iny, raha nahita ity taxibe iray, nivadika teo am-povoan-dalana, tsy lavitry ny sampanana mihazo an’i « Rakmal », teo Antsobolo. Nitodika nihazo ny « Bibilava » iny ny lohany, izany hoe mbola vao handeha hihazo ny toeram-piantsonany mihitsy ilay taxibe. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia somary nandeha mafy ity fiara ity. Somary misy mivoitra izay anefa ny lalana teo ka mety no tsy hitan’ny mpamily ka nahatonga ny loza, hoy hatrany ireo mponina. Ankoatr’izay ihany koa anefa dia nambaran’ireo mponina hatrany fa lasa zary fanaon’ireto taxibe ireto no mandeha mafy be amin’iny lalana iny, indrindra raha vao maraina ny andro. Toa hoe maika hamonjy « tour » eny amin’ny toeram-piantsonany angaha, hoy hatrany ireo mponina eny. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia naratra vokatr’izay loza izay ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tsy mbola nisy mpandeha moa tao anatiny, raha ny fantatra hatrany. Efa nentina nihazo toeram-pitsaboana ireo naratra. Efa eny am-pelan-tanan’ny tomponandraikitra ny raharaha kosa ny raharaha. Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana hatrany, dia fiara fitateram-bahoaka ihany koa no nivadika tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny omaly. Raha ny voalaza dia niala lavaka ilay fiara. Tsy nahatana ny familiana intsony avy eo ary dia io nivadika teny amin’ny sisin-dalana io. Tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’izany raha ny fampitam-baovao azo, saingy kosa nisy ireo naratta tamin’ireo mpandeha, izay efa nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici