- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Taxibe tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny kamiao, nanjera andrin-jiro

Ambatomaro : Taxibe tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny kamiao, nanjera andrin-jiro

Tapaka tanteraka ny jiro teny amin’iny faritra Ambatomaro sy ny manodidina iny omaly. Andrin-jiro lehibe, mpitondra herinaratra mahery vaika no nianjera rehefa nodominin’ny fiarabe iray. Ity farany moa izay nifatrarana taxi-be tapaka hisatra teo am-pijanonana. Tranga niseho, tokony ho amin’ny iray ora sy sasany tolakandro tany ho any. Tsy lavitry ny orinasa afak’haba iray teny Ambatomaro no niseho ny loza. Toeram-piantsonan’ireo fiara mpitatitra manao zotra 147 D. « Soa ihany fa efa tsy nisy olona intsony tao amin’ity taxi-be ity, raha tsy izany dia efa nikararana ny faty tety an-toerana » hoy ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nisy. Lalana somary fidinana izay ary mbola valiana fidinam-be aorian’io no toerana hiantson’ireto taxibe mampitohy an’Ambatomaro sy 67ha ireto. « Nanala olona teo amin’ny toeram-piantsonana ilay fiara ary handeha hiodina indray haka « tour ». Tapaka hisatra tampoka anefa ity farany ary nikivalavala nihazo ilay fidinam-be ». Fiarabe handeha hiakatra avy eny ambany no nitsena ary nanohana azy. Noho ny amafin’ny fifandonana dia nifatratra teny amin’ny andrin-jiro lehibe iray izy roa tonta ary namotika rindrin’olona. Tapaka tarangana ary nianjera tamin’ny toeram-pivarotana iray tsy lavitra teo indray izany andrin-jiro lehibe izany, izay nanapotika tanteraka izany trano izany. Soa ihany, tao anatin’izay loza mahatsiravina izany, samy nahay niala avokoa ny rehetra ary tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Ny fahasimban-javatra kosa no tena betsaka : ireo fiara roa nifandona, izay samy potika avokoa, ny tranon’olona sy ny rindrin’olona tetsy andaniny ary ny andrin-jiro mpitondra herinaratry ny Jirama. Efa mivonon-kiaina anaty haizina indray aloha izany ireo mponina eny an-toerana, mandrapahavita ny fanamboarana sy ny famerenana amin’ny laoniny izany tambazotra mpitondra herinaratra izany. Ambonin’ny tsy fisian-drano efa sakafo isan’andro, mahazatra ireo mponina. Eny fa na dia efa hiaraha-mahalala aza ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ambatomaro iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici