Mpiambina amin’ny tanana iray eny amin’iny faritra Ambatomaro iny no naratra mafy, voakakitry ny … jiolahy ny alatsinainy alina lasa teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray mantsy teny an-toerana tamin’io alina io. Maromaro, teo amin’ny enin-dahy teo, izy ireo, raha ny loharanom-baovao, ary nirongo fitaovam-piadiana. Raha iny avy nitsambikina avy eny ambony tamboho iny anefa izy ireo no tazan’ilay mpiambina. Nandray ny andraikiny tamin’ny fiarovana ity tanana ity avy hatrany ity farany, eny fa na dia teo aza ny fandrahonana nataon’ireo olon-dratsy. Voabedan’ity mpiambina tsy mataho-maty ity ny iray tamin’ireo mpanafika, ka tsy afa-nikofoka. Tetsy andanin’izay anefa, taitra tamin’ny korontana tany an-tokotany ny tompon-trano ka nampirehitra jiro. Nirohotra nitsoaka avokoa ireo jiolahy tamin’io fotoana, ankoatr’ilay voasambotra. Ity farany izay nanao ny fara-heriny, nanao izay hialàna teo ambany gejan’ilay mpiambina, ka nampiasa izay hany fitaovam-piadiana teny … am-bavany. Voakaikitra teo amin’ny tarehiny ity nitazona azy, ary nivoa-drà sy rimbina mihitsy izany, raha ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany. Saingy tsy nivaha ny fatorana, mandra-piandry ireo pôlisy. Tonga ara-potoana teny an-toerana rahateo ireto farany. Marihina fa misy biraon’ny pôlisy eny amin’iny faritra iny. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity olon-dratsy ity. Mandeha kosa ny fikarohana ireo ambiny hafa. Ilay lehilahy voakaikitra kosa, nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.
m.L