- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Voasambotra ny faharoa tamin’ireo nanendaka sy nanolana vehivavy

Ambatomaro : Voasambotra ny faharoa tamin’ireo nanendaka sy nanolana vehivavy

Mitohy hantrany ny fikarohana ireo jiolahy nanendaka sady nanolana vehivavy iray teny Ambatomaro ny sabotsy 15 septambra lasa teo. Fantatra izao, fa voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faha-3 etsy Antaninandro, ny 19 septambra teo ny tovolahy iray 19 taona, isan’ny nanao ity heloka ity. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy, dia fantatra fa nihaodihaody  teny amin’ny faritra Ambohimahitsy iny ity tovolahy iray anisan’ny nandray anjara tamin’ilay fanolanana . Nidina teny an-toerana avy hatrany ny tomponandraikitra ka voasambotra ny 18 septambra 2018 tokony ho tamin’ny 6ora hariva, tao anaty trano fisotroana izy. Tafakatra roa araka izany ireo voasambotra ka ny iray dia efa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, ny 17 septambra tao aorian’ny nanolorana azy ny Fitsarana.

Raha tsiahivina, niara-dia tamin’ny anadahiny ity tovovavy ity tamin’io 15 septambra io. Narahin’ireto bandy telo lahy ireto izy ireo ka rehefa tonga teo amin’ny mangingina dia nofinganiny sy nodarohan’izy ireo ilay anadahiny ka nianjera tsy tafarina. Nohararaotin’ireto olon-dratsy izany ka nosintonin’izy ireo nakao anaty tanin-tsaonjo ilay tovovavy ary nanamparany filandratsiny tao sady nendahina ihany koa toy ilay anadahiny. Tao aorian’izay, dia lasa nitsoaka ny roa tamin’ireto jiolahy,  fa ny iray kosa mbola nanaraka ilay tovovavy tany an-tranony. Nony tonga tao anefa, nahita hevitra nanidiana ity jiolahy tao an-tranony ilay vehivavy  ary afaka niantso polisy sy fokonolona ka dia noraisim-potsiny tao ilay io.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici