
« Efa nitakiana volabe izahay (…) efa nahazo karatra sy rosia mihitsy avy tao amin’ny kaominina. Amin’izao anefa, anaovana antsojay indray, roasina tsy avela hivarotra intsony ary ny sasany amin’ireo mpiasa dia mahavita mandroba ireo entana kely mba amidinay…» Izany no fitarainan’ireto mpivarotra amoron-dalana tetsy Ambatomena, ambany kelin’ny masoivoho frantsay ireto. Raha ny voalazan’izy ireo dia teo ambonimbonin’io toerana io ireto farany no nivarotra, efa ho roa taona izay, saingy nesorina teo izy ireo ary nomena toerana teo ambany. Tamin’izay fotoana izay dia nilaza ny tompon’andraikitra iray fa tokony hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ireto mpivarotra ireto ary omena karatra. Vola manodidina ny enina tapitrisa ariary teo ho eo, raha atotaly no efa notakiana tamin’ireto mpivarotra ireto. Nivoaka ara-dalàna tokoa izany karatra, ahafahan’izy ireo mivarotra izany ary samy nahazo rosia avy ireo mpivarotra ho mariky ny fandoavan’izy ireo vola. Taty aoriana, nisy nilaza indray fa averina tany amin’ilay namoaka azy ilay karatra, fa havaozina. Tsy fantatra intsony anefa na nakaiza izany na nakaiza. Tsy vitan’ilay karatra ihany fa na ireo rosia nandoavana an’ilay vola ihany koa aza dia nalain’ireo voalaza ho tompon’andraikitra. « Nolazaina tamin’izay izahay fa tsy nahaloa vola ary nesorina tamin’ny toerana fivarotanay », hoy hatrany ny fanazavana nomen’ireto mpivarotra ireto.
Raha ny nambaran’izy ireo hatrany dia efa nanatona teny anivon’ny kaominina ireto farany mba hangataka fanazavana, saingy voarirarira hatrany ary mitohy hatrany fanesorana azy ireo teo amin’io toerana io. « Matoa izay mitroatra dia marary izahay. Mafy taminay ny nialan’ireo volabe takiana aminay foana, kanefa dia mbola izao ny toe-java-misy », hoy hatrany ireto farany. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony, ny fitondram-panjakana, ny ben’ny tanàna araka izany ireto mpivarotra ireto. Tsy hitan’izy ireo intsony mantsy izay haleha. « Ny entana hamidy, hitadiavana vola efa tsy misy intsony, kanefa tsy maintsy mihinana, tsy maintsy mamelon-janaka », hoy ny antsoantson’izy ireo.
Nangonin’i m.L
Betsaka ny tsy mety ataon’ny commune fa tsy misy mamaly ny antso ataon’i Mme Clémence isika. Avelao mizaka ny mafy Lalana tsy maintsy izorana ny fahafatesana ka dia mihafia eo ihany.