- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomiady Antanifotsy : Voaroba ny ben’ny tanàna, mpiasan’ny Fananantany ny iray tamin’ireo...

Ambatomiady Antanifotsy : Voaroba ny ben’ny tanàna, mpiasan’ny Fananantany ny iray tamin’ireo jiolahy

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana in-droa misesesy, ny tao amin’ny kaominina Ambatomiady, distrika Antanifotsy, ny alin’ny 6 janoary sy ny 16 janoary lasa teo. Ben’ny tanàna tao amin’io kaominina io no isan’ireo lasibatra tamin’izay fotoana, niampy tokantran’olon-tsotra iray. Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia jiolahy dimy mirongo basy ireo olon-dratsy ireto. Very tamin’izany fanafihana izany, ny môtô roa marika Honda sy Kinlon. Niditra mangingina tao amin’ireo trano ireo olon-dratsy. Tsy henon’ny tompon-trano akory raha tsy ny maraina ny andro, izay azo vinavinaina ho nampiasa fonoka ireo olon-dratsy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo zandary ary natao avy hatrany ny fanarahana ny dian’ny kodiaran’ireo môtô. Niafara tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Belanitrakely, tao amin’io kaominina io ihany ireo diana kodiarana ireo. Natao avy hatrany ny fisavana, ny trano ka hita tao tokoa ireo entana very ireo. Taorin’ny fanadihadiana dia olona dimy no voarohirohy tamin’io fanafihana mitam-piadiana io. Ny iray tamin’izy ireo, dia fantatra fa mpiasan’ny BIF, na ny birao ifoton’ny fananantany, raha ny fanazavana azo hatrany. Tratra tamin’ny fisavana ny tranon’ireo olon-dratsy ihany koa ny basy poleta roa, bala 14, ka ny iray tamin’izy ireo ihany no nisy laharana, fa ny 13 ambiny kos dia saika vita gasy avokoa, ody gasy ary fitomboky ny EPP Ampangabe roa. Natolotra ny Fampanoavana izy ireo, ka nampidirina ao amin’ny fonjan’Ambatolampy miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser