Nitrangana loza mampalahelo teny Ambatomirahavavy, ny alarobia teo vokatry ny oram-baratra teny amin’ny manodidina. Ankizy enina izay mbola teo am-pilalaovana no indray nataon’ny varatra lasibatra. Torana tsy nahetsika izy ireo. Nentina teny amin’ny Hjra, ka ny roa, na teo aza ny ala-nenina rehetra, dia tsy tafaverina intsony ny ainy. Ny iray hafa kosa, raha araka ny vaovao azo tao amin’ny Hjra hatrany, dia nisy fiantraikany tany amin’ny sainy ny zava-doza nanjo azy. Voatery notazonina ao amin’ny hopitaly izy hatramin’ny omaly nandalovanay teny an-toerana. Ireo telo ambiny kosa dia efa nomena alàlana ny hamonjy fodiana. Isan’ny mateti-pitranga tamin’ity volana faran’ny taona ity ny fahafatesana vokatry ny filatsahan’ny varatra. Indrindra koa, teto an-drenivohitra avokoa no nitrangan’izany. Ny tsy fanaovana kiraro na kapa rehefa andro avy orana no isan’ny tena mitarika izany, raha araka ny fanazavan’ny siantifika. Misy herinaratra mipaika amin’ny tany mantsy rehefa misy ny varatra ary izany dia mifindra amin’ny olona raha sendra mifanandrify amin’ilay toerana nidobohany. Ilaina arak’izany ny mialoka amin’ny toerana maina ary indrindra koa tsy mandeha amin’ny rano ny tongotra, rehefa tena mafy ny oram-baratra mba hisorohana izay mety ho loza aterak’izany.
Ornella A. (Stagiaire)