- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Fatin-dehilahy may sy feno ratra

Ambatomirahavavy : Fatin-dehilahy may sy feno ratra

Ny rahalahiny no nampandre ny manam-pahefana ny sabotsy maraina lasa teo raha handeha hitsidika ity rahalahiny, tsy fantatra marina ny fisehoan-javatra ny alin’ny zoma fa dia ny razana efa mivalampatra  tety antokotany ary mbola mitototra tahon-katsaka  no novantanin’ity farany. Mbola toka-tena moa ity tovolahy ity ary mipetra-drery, ny manodidina rahateo koa tsy nisy naheno na inona na inona ny alina.

Ny ahafantarana fotsiny hoe fanafihan-jiolahy dia ny fahitana ny razana may sy misy ratra ary efa tsy tao an-trano  intsony. Vao nandre izany moa ny tompon’andraikitra teo antanàna dia niantso ny zandary sy ny dokotera amin’izay mety ho niavian’ny fahafatesana. Entana maromaro toy ny televiziona  écran plat roa,  subwoofer ary panneaux solaires, izay marihina fa entana anisan’ny sarobidy tao antrano. Efa noraisin’ny borigadin’ny zandarimaria eny an-toerana moa ny raharaha amin’ny fitadiavana izay mety ho nahavanon-doza.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser