- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Fiara 405 niala kamiao, nianjera tany an-kady

Ambatomirahavavy : Fiara 405 niala kamiao, nianjera tany an-kady

ACCIDENTNitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena voalohany. Fiara 405 iray izay niala kamiao sendra azy no nivarina an-kady. Omaly, manodidina ny tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro, teo amin’ny fiolahana Ambohidranomanga akaikin’ny fitotoana katsaka any Ambatomirahavavy, no nitrangan’izany. Raha ny fanazavana voarainay dia voalaza fa tao anaty fiolahan-dàlana no nisy kamiao nipoitra tampoka nifanena tamin’ilay fiara 405. Tsy tazan’ilay mpamily ilay kamiao, ity farany rahateo somary nandeha mafy ihany ka tampoka ny fifanenan’ny fiara roa tonta. Mba hialana amin ‘ny loza dia nifidy ny hamily ny fiara tany an-kavanany ilay fiara, hany ka nifatratra nianjera tany an-kady ary tsy nijanona raha tsy tao anaty rano. Mirefy eo amin’ny 5 metatra eo ny hantsana nianjeran’ilay fiara 405. Naratra vokatr’izany ireo olona tao anatin’ilay fiara noho ny hamafin’ny dona tamin’ny fianjerana. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy. Simba ihany koa ilay fiara. Niendaka hatramin’ny seza tao anatiny. Ilay kamiao etsy andaniny tafajanona ihany satria noho ny fiviliana niankavia dia tafalatsaka taoa anaty “dalle” ity farany. Efa nentina eny amin’ny hopitaly avokoa ireo naratra hahazo ny fitsaboana sahaza azy.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici