- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Kamiao mpanangom-bokatra voatafika, lasa ny 7 tapitrisa ariary

Ambatomirahavavy : Kamiao mpanangom-bokatra voatafika, lasa ny 7 tapitrisa ariary

Nirefodrefotra ny basy. Tsy namelan’ireto andian’olon-dratsy raha tsy tafajanona tanteraka ilay fiarabe mpanangom-bokatra, ny talata hariva teo, tetsy Ambatomiharavavy.

Ataon’ireo mpanakan-dalana lasibatra indray izao ireo fiarabe mpanangom-bokatra any ambanivohitra any. Toy ny nitranga tetsy Ankoririka Ambatomirahavavy, ny talata tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia avy any Imerintsiatosika ho any Soaniadanana ity fiarabe ity no sendra ireto olon-dratsy ireto. Efa-dahy izy ireo araka ny vaovao azo hatrany ary nirongo basim-borona sy ny zava-maranitra isan-karazany. Vao tazan’izy ireo lavitra fotsiny ilay fiarabe dia tifitra variraka avy hatrany no niantefa teny amin’ny lohan’ilay fiara. Na tsy nahazo ireo olona efatra tao anatin’izany fiara izany aza ny ny bala dia namotika kosa ny môtera sy ny fitaratr’ity kamiao ity. Maty teo no ho eo ihany, araka izany, ity farany ary tafajanona. Tamin’izany no nohararaotin’ireo andian-jiolahy norobaina ireto olona tao anatiny, izay ankevitry ny fantatr’izy ireo tsara fa nitondra vola misimisy ihany. Fito tapitrisa ariary teo ho eo raha ny marina. Tsy vitan’io vola io ihany anefa fa lasan’izy ireo ihany koa findain’ireo voatafika, niaraka tamin’ny fitafiana sy ny entan’izy ireo ary ny antotan-taratasy rehetra, na ny an’ny fiara na ny an’ireo mpandraharaha. Tsy afa-nanoatra teo anatrehan’ny fitaovam-piadiana moa ireo niharam-boina ka namela ireo olon-dratsy nanao izay danin’ny kibony. Azon’izy ireo izay nilaina dia nitsoaka toy ny tsy teo ireo mpanafika. Fotoana elaela taty aoriana vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Niezaka nanenjika ireo olon-dratsy sy nanokatra ny fanadihadiana mahasika ity trangana fanakanan-dalana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici