Ny alahady lasa teo no natsingevan’ny reniranon’i Katsaoka ny vatana mangatsiaka ana lehilahy iray, tokony ho 40 taona eo ho eo, raha toa kosa ka ny alakamisy no efa tsy nody tao an-tranony izy, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia olona sendra nandalo tamin’iny faritra iny, ny harivan’ny alahady teo, no nahatsikaritra zavatra natsingevan’ny rano, miendrika olona. Hatairana tsy misy toa izany ny an’ireo nahita ireo, rehefa tena nozahana akaiky ity zavatra ity, fa hay tena fatin’olona navalan’ny rano. Teo vao nantsoina avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, izay tonga teny an-toerana avy hatrany. Araka ny fantatra hatrany dia olona tsy dia vaovao loatra amin’ireo mponina eny an-toerana ity rangahy hita faty ity, ka izany no nahafahana nampilaza ny havany. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahitana faritra mangana teo amin’ny lohan’ity rangahy ity, ary karazana diana tady teo amin’ny tendany. Ny nalehan’ny saina avy hatrany, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana hatrany, dia mety ho nisy namono ity lehilahy ity : nodarohana avy eo nokendaina ka rehefa maty dia natsipy tao anaty rano. Mbola mijanona ho tombatombana avokoa anefa izany, satria tsy mbola fantatra mazava, hoe inona marina no tena nahafaty an’io rangahy io, ary teo amin’io toerana io ihany koa ve ? Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana mikasika ity tranga ity ary efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
m.L