- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Môtô « Scooter » roa nifandona, olona iray maty, iray hafa...

Ambatomirahavavy : Môtô « Scooter » roa nifandona, olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny omaly. Môtô scooter roa no nifandona tao anaty fiholahana teo amin’ny toerana atao hoe Manoarivotra, ao Ambatomirahavavy, 18 kilometatra miala avy aty Antananarivo. Tamin’ny 9 ora sy sasany maraina teo no nitranga izany, raha iny samy nandeha mafy iny ireo kodiaran-droa ireo, ny iray avy aty Antananarivo hiakandrefana, ny iray kosa mifanohitra amin’izany. Mafy dia mafy ny fifandonana ka nandratra mafy ireo roalahy nitaingina izany môtô izany. Nalefa haingana taty Andrenivohitra ka nampidirina tao amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hôpitaly HJRA avy hatrany ireto roalahy ireto. Indrisy anefa fa noho ny ra betsaka loatra very taminy dia namoy ny ainy ny iray, izay vao 24 taona monja. Araka ny hita dia naratra mafy teo amin’ny loha izy ireo nefa dia nanao aro-loha avokoa. Ity farany izay fantatra fa tena mahasarotiny ny mpitandro filaminana mihitsy ny tokony hitondran’ireo mpitondra môtô azy. Potika tanteraka anefa izany aro-loha izany noho ny hamafin’ny fifandonana ka izay no tena nahavoa ireto roalahy ireto. Tsy vitan’izay fa simba tanteraka, saika lasa toy ny korotam-by sisa ireo môtô niharan-doza.

Fandehanana mafy. Araka ny fitsirihana nataon’ny zandary avy ao Ambatomirahavavy izay nanao ny fanadihadiana teny an-toerana dia hita fa ny fandehanana mafy no nahatonga izao fifandonana izao. Tsy tao an-tsain’ireto mpitondra môtô ireto angamba fa hiditra fiholahana mampidi-doza izy ireo ka tsy nahatandrina intsony ny an-kavanany avy, fa dia nangalatra nandeha teo afovoan’ny arabe avokoa. Tampoka noho izany ny fifanenana teo amin’ny roa tonta ka dia izay. Hita ihany koa fa nalalaka dia nalalaka ny lalana tamin’io fotoana nitrangan’ilay loza. Indrindra moa fa tsy misy hatreto ireo fiara fitanterana mpandeha amin’iny lalana iny noho ny fampiatoana ny fitanteram-bahoaka ao anatin’izao fahamaizana ara-pahasalamana izao ho an’ny faritra Analamanga. Manoloana ny mahatanora ireo niharam-boina dia nanararaotra ny komandin’ny zandary ao Ambatomirahavavy ny mitondra fampitandremana ho an’ireo tanora izay mpanao « course môtô » amin’iny làlana iny fa tena misangisangy loza tokoa izy ireo amin’izany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici