- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Mpianatra 22 isa toran’ny sakafo

Ambatomirahavavy : Mpianatra 22 isa toran’ny sakafo

Nihinana sakafo tao amin’ny « gargotte » izay tao amin’ilay toeram-pianarana ihany. Miisa 22 ireo mpianatra nifandimby tsy nahatsiaro tena. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo mba ho fanavotana ny ainy ary ny tompon’andraikitry ny sekoly no isan’ny nanampy tamin’ny fitaterana. Ny iray no voatery naiditra hopitaly taty an-drenivohitra ary ny governora no niantoka izany. Raha araka ny fantatra dia efa afaka namonjy fodiana ny ankamaroan’ireo narary. Nisy fanadihadiana nosokafana momba ity raharaha ity. Tsy voalohany no nisy ny poizina ara-tsakafo nahazo ny mpianatra. Vao ny faramparan’ny taona lasa teo koa no nisy ireo 64 isa izay notaterina teny amin’ny hopitaly noho ny fihinana mofo sakay natao tamin’ny menaka tsy manara-penitra. Izany rehetra izany dia manaporofo fa mila hamafisina ny fitsirihana ny sakafo amidy etsy sy eroa. Indrindra fa ireo akora fanamboarana azy. Miditra eto amintsika avokoa ireo karazan’akora avy any ivelany izay tsy fantatra raha manaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Mitobaka eny amin’ny tsena rehetra eny izany ary amin’ny vidiny mora noho ny eny amin’ny toeran-kafa. Mila miditra bebe kokoa amin’ny fanaraha-maso ny entana miditra eto amintsika ny manam-pahefana satria be loatra ny poizina miparitaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici