Efa tena sahy tokoa ireo olon-dratsy ! Ny alakamisy alina teo, jiolahy maromaro mirongo fitaovam-piadiana no indray niditra tao amin’ny biraon’ny zandary teny Ambatomirahavavy. Velona ny fifampitifirana. Tsy nisy aina nafoy anefa na olona naratra. Resy tosika ihany ireo mpanani-bohitra ka rifatra nitsoaka. Tranga isan’ny nahavalanina ny maro ary nampihoron-koditra ny sasany ity nitranga teny Ambatomirahavavy ity. Raiki-tahotra ny fokonolona teo am-pandrenesana ireo poa-basy mitatatata, naharitra fotoana elaela ihany, avy amin’ny tobin’ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Fa nisy inona ? Samy tsy nisy nanam-po ny zava-niseho ny rehetra. Efa teo am-baravarana ireo jiolahy miaraka amin’ny basy vao taitra ireo zandary mpiandry raharaha tao amin’io toby io. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia ny basy no niresaka. Tsy naharesy tosika ireo olona efa tsara ofana anefa ireo olon-dratsy ka vaky nandositra. Nanomboka teo indray ny fifanenjahana, mbola niaraka tamin’ny tifitra hatrany. Ny tsy fantatra hatreto dia hoe, inona no tanjon’ireto jiolahy ireto hanafika ity biraon’ny zandary ity. Vola, basy sa hanavotra ny namany ? Tsy misy na iray tamin’ireo aza anefa tao amin’io birao io, araka ny fanazavana azo. Efa mandeha ny fanadihadiana ary mitohy ny fikarohana. Izany tokoa angaha ny hoe sasatry ny miaina araka ny fitenena ka eny am-bavaravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy.
m.L