- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Taxi-brousse nifandona tamina kamiô, olona roa namoy ny ainy

Ambatomirahavavy : Taxi-brousse nifandona tamina kamiô, olona roa namoy ny ainy

Dia mbola namono olona indray iny lalam-pirenena voalohany iny, ny talata lasa teo. Teo Ambatomirahavavy, ny talata alina lasa teo, no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity. Fiara taxi-brousse iray, nitondra mpianatra avy any Tsiroanomandidy no nifandona tamina kamiô, handeha hiakandrefana. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamilin’ilay taxi-brousse, niaraka tamin’ilay olona teo akaikiny. Tetsy andanin’izay, olona dimy hafa kosa no fantatra fa naratra mafy vokatr’ity loza ity. Tsy fantatra mazava izay antony tena nahatonga ny loza. Raha ny fahitana ny fahasimbana nisy teo amin’ireo fiara roa kosa no nahafahana miteny fa samy nandeha mafy avokoa ireto fiara roa ireto, na ilay taxi-brousse, na ilay kamiô. Potika tanteraka ny lohan’ity fiara nitondra mpianatra, antony nahafaty tsy tra-drano ireo olona teo aloha. Nisy fahasimbana ihany koa ilay kamiô, ary ny tena nahavariana ny maro, samy niara niala ny lalana sy toerana nisian’ny fifandonana avokoa ireto fiara ireto. Ilay kamiô mantsy nipitika lavitra ary nivarina tany an-tanimbary. Tafalatsaka tao anaty tatatra kosa ilay taxi-brousse. Nandriaka ny rà tamin’io alina io. Raha ny fanazavana azo, dia voatery nosokirina tao anatin’ny lohan’ilay fiara mihitsy ny vatana mangatsiakan’ilay mpamily sy ilay mpianatra iray, izay rotidrotiky ny poti-by. Noho ny hamafin’ny fifandonana ihany koa, dia samy nitondra faharatrana avokoa ireo mpandeha, fa ny dimy tamin’izy ireo no tena voa mafy, ary anisan’izany ihany koa ny tao anatin’ilay kamiô, raha ny fanazavana azo hatrany. Tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ireo naratra.

Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana ihany, mpitondra môtô roa ihany koa no naratra mafy tetsy Analakely, omaly maraina. Raha ny fantatra dia nifanenjika avy any izy roalahy ireto. Samy tsy nisy nahatana ny familiana anefa ary dia nifandona. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana moa izy roalahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici