- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomitsangana : Mpiangona roa voaendaka

Ambatomitsangana : Mpiangona roa voaendaka

Vehivavy roa mba handeha hamonjy vavaka maraina no voaendaka omaly. Nipitrapitra fotsiny sisa izy roa ary tsy nisy navelan’ireo jiolahy intsony hatramin’ny rakitra saika harotsaka ao am-piangonana. Miverina mirongatra indray ny sinto-mahery eo Ankadifotsy-Ambatomitsangana raha araka ny fanazavan’ny mponina eo an-toerana. Ny vao maraina dia ireo mpiasa hamonjy fiara fitaterana no tena hataon’ireo lasibatra. Manodidina ny telo ka hatramin’ny efatra eo hatrany no isan’ny mpandroba ary miditra elakelan-trano raha vao mahavita ny asaratsiny. Mitondra antsy lava ireo ary matetika afeniny ao anaty tanan’akanjo izany. Efa nisy fisamborana mafy izay nataon’ny mpitandro ny filaminana ihany teo an-toerana rehefa nisesy ny sinto-mahery ataon’ireo olon-dratsy. Izao anefa dia efa miverina indray ny fanendahana isan-karazany ary mampihorohoro ny mponina eo an-toerana sy izay tsy maintsy mandalo eo Ankadifotsy koa amin’ny fiainana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici